Indray mijery

Efa misandrahaka ny oniversitem-paritra, toy ny any Sava, Mandritsara, Antsohihy, Menabe, Anosy, Ampanihy, Antsirabe, Itasy… Efa miasa sy mandray mpianatra avokoa izy ireny. Centre regional no nisy tany am-piandohana. Rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra dia navadika ho lasa oniversite mahaleo tena tanteraka.
Momba ny fanadinana bakalorea, ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Efa miroso ny fanomanana laza adina sy ny fikirakirana ny angon-drakitra (base de données). 40 andro mialoha ny tetiandrom-panadinana no miditra amin’ny fitokana-monina ireo mpampianatra handrafitra ny laza adina rehetra.
Hotanterahina ny alakamisy 18 jona sy zoma 19 jona ho avy izao ny fifaninanana hidirana amin’ny taona voalohany ao amin’ny Lycée technique sy Professionnel, araka ny fampahafantarana naroson’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hatao ny alatsinainy 6 jolay ka hatramin’ny alakamisy 9 jolay 2026 ny fanadinana hahazoana ny Brevet d’études professionnelles (BEP).

Partager sur: