FANTINA sy FINTINA

Tsy azo enjehina ny depiote eo am-perin’ny fivoriana ara-potoana amin’izao, araka ny nambaran’ ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randria­naso­loniaiko Siteny, teny Tsimbazaza, omaly. Eny, na nisy aza ny fangatahan’ny eny anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny fanalana ny tombon-jo parlemantera toy izay mahazo ny depiote voafidy tany Arivonimamo, Rajerison Antoine, izay hodinihina aoriana.

Natao teny amin’ny Toby jeneraly Philibert Ramarolahy, Betongolo, omaly, ny fanambaram-pananan’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Nitarika izany ny sekretera jeneraly eo anivon’ny minisitera delege misahana ny Zandarimaria (MDG), ny jeneraly Jean Hubert Zipa, niaraka tamin’ny komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Mbina Nonos. Nandray ny fanambaram-panana ny solontenan’ny Bianco.

Nihaona tamin’ireo diaspora malagasy, tombanana ho 20 000, atsy Kaomoro ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye Alice, afakomaly. Voa­resaka ny fifandraisana ana habakabaka sy an-dranomasina. Teo koa ny olana mifandraika amin’ny fifindra-monina noho ny asa ary ireo fahasahiranana ara-pitantanana mila fanampiana anivon’ny kaonsily, ny firaisankina sy ny fifanohanana ataon’ireo fikambanana malagasy am-pielezana any an-toerana.

Partager sur: