Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : “Ilaina ny politika sy ny tetikady”

“Tanjona iraisana amin’izao ny hahazoan’i Madaga­sikara miala amin’ny toe-javatra mampisy fatiantoka sy faharefoana, ka hiroso amin’ny sehatry ny fitomboana ara-toekarena sy ny fanangonana harena”. Io no nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, tamin’ny fanombohana ny famelabelarana ireo voka-pikarohan’ny Institut d’études politiques (IEP) Mada­gascar, teny Ampandrana, omaly, momba ny paikady sy vahaolana entina miady amin’­ ny fahantrana eto Mada­gasikara. Mba hahatrarana izay tanjona izay, ilaina ny politika sy ny tetikady miorina amin’ny fahamendrehana sy ny fitovian-jo ary ny fahazoana miarina manoloana ireo fanamby, indrindra ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Mitovy fijery ny Gover­nemanta sy ny IEP Mada­gascar: manan-danja ny fikarohana amin’ny fananganana politika sy fanapahan-kevitra mahomby. Tsy azo ekena intsony ny fiheverana ny fikarohana hijanona amin’ny petra-kevitra na teoria fotsiny. Raha ny marina, loharanon-kevitra sy vahaolana azo tsapain-tanana izy, manampy amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny toekarena ary ny fiarahamonina. Ilaina ny mampifandray akaiky ny vokatry ny fikarohana amin’ny famolavolana politika sy ny fandraisana fanapahan-kevitra ho an’ny fampandrosoana. Izany in­drindra no ahazoana mamaly amin’ny fomba mahomby ireo fanamby sedrain’ny firenena, indrindra ny ady amin’ny fahantrana sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy.
Ho an’ny Praiminisitra, tsy afa-misaraka amin’ny petra-kevitra sy ny fikarohana ara-tsiansa ny famahana olana sy ny fitarihana ny fampandrosoana. Nanteriny fa anisan’ny fototry ny siansa politika ny fahafahana mandinika olana amin’ny fomba feno sy lalina. Jerena amin’ny lafiny efatra izany farafahakeliny: ny lafiny politika, ny lalàna sy ny sosialy ary ny toekarena.

R. Nd.

Partager sur: