Naneho ny heviny mahakasika ny fikaonandoham-pirenena, omaly, ny filohan’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace. Nambarany, tamin’izany, fa : “Tsy maintsy misy ny fanomanana an’ireo hiatrika ny fikaonandoham-pirenena any amin’ny fokontany, kaominina, distrika, Faritra. Tsy maintsy omanina izy ireo satria aleo tsy mandeha an-jambany ».
Tsy maintsy misy lohahevitra mazava apetraka amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoha. Ny tena sarotra dia ny momba ny fitantanana politika sy ny fitantanana ny fifidianana. Mila mahafehy tsara an’izany izay hitarika any amin’ny Faritra rehetra.
“Matoa tonga amin’ny fifanatonana ny FFKM sy ny fitondram-panjakana na ny minisitera misahana ny Fanavaozana ary anatin’izany ny Praiminisitra, zavatra tsara no andrasana tamin’ny fihaonana”, hoy kosa izy momba ny fivoriana niarahan’ny fitondram-panjakana sy ny FFKM teny Ambohitsorohitra, ny 3 jona lasa teo, izay tokony ho nanombohan’ny fikaonandoham-pirenena teny amin’ny CCI Ivato.
Tsy tokony hipetraka amin’ ny vahoaka malagasy ny ahiahy. Tsy nisy fifandonana ve eo anivon’ny FFKM sy ny fanjakana? Izay no anton’ny nivoriana nanombohana ny fikaonandoham-pirenena tamin’ny 3 jona fa nandaminana. Manana olon-kendry afa-mifampiresaka fa tsy manao mpitari-bato vilam-bava amin’ny zavatra atao. Tsapa ho azy, mpanao politika aloha, fa zava-dehibe ny fifanatonana sy ny fifampiresahana hivoahana amin’izao krizy lalina misy ny firenena izao. “Mino aho fa samy olon-dehibe ireo raiamandreny am-panahy sy ny fitondram-panjakana, hita fa mandanjalanja ny zavatra atao”, hoy ihany izy. Hizotra soa aman-tsara izany ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena. Mihaino ny noresahina ny amin’ny fananganana komity izy ireo.
R. Nd.




