Lehilahy 25 taona hita faty tao amin’ny vavaranon’i Besalampy, omaly. Tapaka ny hatok’io olona io ary nahitana ratra ny lohany, araka ny loharanom-baovao. Tsy fantatra mazava anefa ny anton’ny nahafaty azy raha toa ka nianjera tampoka na ahoana.
Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ilay lehilahy nanafika mpanao Cash point tetsy Analakely, afakomaly. Nitondra basy kilalao vita tamin’ny alalan’ny plastika io mpandroba io. Tsy nahomby ny teti-dratsiny ka noraisim-potsiny.
Telo lahy mpamaky trano voasambotry ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria Antsirabe, afakomaly. Nahatrarana entana maro toy ny fahitalavitra, gitara hatramin’ny fanamiana miaramila teny amin’ireo olon-dratsy.




