FIKAROHANA ASA : Omena torolalana ny tanora

Tontosaina anio sy rahampitso, etsy amin’ny Gare Soarano, ny andiany fahafolo amin’ny “Forum de l’orientation et de l’employabilité” na fandalinana ny safidy sy ny fikarohana asa. Hetsika fanao isan-taona, karakarain’ny fandaharanasa Sesam ho an’ny tanora maniry ny hiditra amin’ny sehatry ny asa izy ity. Mahatratra 40 mahery eo ireo orinasa mampiranty anaty tranoheva, manome torolalana sy manao fifampizarana. Misy ihany koa ny fandraisana ny antontan-taratasy (CV) ho an’ireo tanora mitady asa.
Notsiahivin’ny mpikarakara fa misy ireo orinasa hita eny an-toerana no manao fifantenana mpiasa avy hatrany na “Speed recruiting” amin’ity hetsika ity. Noraisina ho lohahevitra mandritra ity andiany ity ny “Ny fanovana niomerika sy ny ilontsaina artifisialy (IA)” ka nisy ny kaonferansy izay natao teny an-toerana, nanomboka omaly.
Ankoatra izay, efa nijoro nandritra ny 13 taona, manampy ireo tanora sahirana amin’ny fanohizana ny fianarana sy mampivelatra azy amin’ny sehatra matihanina ny fandaharanasa Sesam. Efa maro ny mpianatra navoakan’izy ireo ary misy ny efa nahatsangana orinasa.

Fitia Randria

Partager sur: