Nanome tohana, fitaovana, ho an’ny sampandraharaha Vonjy aina eo anivon’ny CHU-JRA Ampefiloha ny ONG La Chaîne de l’Espoir niaraka tamin’ny ambasadaorin’i Frantsa, afakomaly. Nahitana «défibrillateur», «respirateurs» ary fitaovana ara-pitsaboana isan-karazany izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary miditra eny an-toerana ireo fanomezana. « Miompana amin’ny fanatsarana ny fitaovana, ny fampitana fahaiza-manao eo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana, frantsay sy malagasy, ary ny fikarakarana fandidiana maika ny hetsika », hoy i Arnaud Guillois, ambasadaorin’i Frantsa, miasa sy monina eto Madagasikara. Mandray marary maherin’ny 3 000 isam-bolana ny Sampana vonjy aina eo anivon’ity hopitaly ity. Marary mafy ny ampahefatry ny marary mandalo eny. Mampiseho ny maha zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny hopitaly sy ny mpitsabo ao aminy izany. Antony nanaovana izao tolotra ara-pitaovana izao. Manohana ny rafi-pitsaboana malagasy, amin’ny alalan’ny tetikasa maromaro miompana amin’ny fikarakarana manokana, fanofanana matihanina ary fampitaovana tobim-pahasalamana ity ONG ity. Tetikasa vatsian’ny AFD vola. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana mikendry ny hanatsarana maharitra ny fahazoana fitsaboana vonjy aina ho an’ireo marary izy io. Natrehin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Monira Managna sy ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, Arnaud Guillois, ny lanonana.
Mino




