Efa nidina ifotony avy hatrany ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni, andro vitsy taorian’ny fahavitan’ny atrikasa savaranonando momba ny fifidianana, natao teny Ivato. Nametraka ny sehatra ifampidinihana maharitra eo anivon’ny Ceni sy ireo mpisehatra amin’ny fifidianana izy ireo. Anisan’izany ny antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena, tanora, mpitondra fanjakana, fiangoanana, vehivavy, ireo olona manana fahasembanana ary ireo olobe. Anisan’ny efa nahavitana nanangana izany sehatra ifampidinihana izany ny any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Niatrika izany ny avy amin’ny Ceni, ny mpampakateny, Rakotoarisoa Anitra. Nambaran’izy ireo fa tanjona ny hisian’ny fifampiresahana anatin’ny mangarahara tanteraka mandritra izao fotoana hanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy izao. Hisy matetika ity fivoriana ity. Koa anentanana sahady ireo mpisehatra ara-pifidianana mba hazoto handray anjara. « Ialana amin’ny fifanomezan-tsiny aoriana sy hahitan’ny rehetra na hanatrehana ny zava-misy ny anton’izao », hoy izy ireo.
Anisan’ny efa nahavita ny azy koa ny tao Vakinankaratra ny 10 jona teo. Nitarika izany ny filoha lefitry ny Ceni, Andriatsimiala Sariaka.
Nampiavaka ny tany an-toerana ny fandraisan’anjara mavitrika avy amin’ireo olona manana fahasembanana, ny tanora ary ny vehivavy. « Ao anaty fotoana hanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy isika izao. Koa, entanina ny olona rehetra mba hiara-kisalahy sy hifampizara amin’ny Ceni mba hipetrahan’ny mangarahara tanteraka ao amin’ny fizotran’izany fanavaozana lisitra izany », hoy izy ireo.
Synèse R.




