Nizara fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra, kilasy fahadimy, eo anivon’ny EPP Anjanahary II N ny fikambanana Ho avy baliaka, ny zoma lasa teo. Nahitana trousse, stylo, crayon, compas, rapporteur, règle, équerre, gomme ary chocolat izany. Nisitraka ny fanomezana ireo mpiadina miisa 87 eo anivon’ny sekoly. « Tsikaritray fa mila fanohanana bebe kokoa ireo mpiadina ny fanadinana CEPE eto anivon’ny sekoly, antony nanaovana ny hetsika », hoy Rabezanahary Lanto, mpitondra tenin’ny fikambanana. Vao voalohany ny hetsika ary ezahina ny hanaparitaka izany any amin’ny faritra sy toeran-kafa. «Ahafahan’ny ankizy miatrika am-pitokiana sy am-pitoniana ny fanadinana CEPE ny fahazoana izao tolotra izao », hoy kosa ny talen-tsekoly, Raminoarisoa Lilanirina. Zava-dehibe ho an’ny ankizy ny nahazoana ireo fitaovam-pianarana ireo mba tsy ho mena-mitaha amin’ny ankizy hafa satria maro amin’ireo ankizy no avy amin’ny fianakaviana sahirana, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, nisy ny fotoam-bavaka nitsofan-drano ireo mpiadina teny amin’ny sekoly, ny sabotsy teo.
Marihina fa niorina tamin’ny taona 2021 ity fikambanana manao asa soa ity. Mivondrona amin’ny fanaovana asa tanana izy ireo izay ahitana mpikambana efa manodidina ny 100 isa. Mipetraka any Frantsa ny mpanorina azy, i Heritiana Rafenosoa, amin’izao fotoana izao. “Mivondrona izahay mba hahafahantsika manaraka ny fenitra ary mitazona ny vidiny mora”, hoy ny fanazavan’i Patricia, sekreteran’ny fikambanana, raha nanazava ny momba ny fikambanana.
Mino




