Miatrika ny fanadinana CEPE ireo mpianatra ana hetsiny manerana ny Nosy, anio. Manomboka amin’ny 7 ora sy sasany ny fiantsoana anarana ka tsy tokony ho tara mihitsy, raha ny toromariky ny mpampianatra.
Nahavita ny fandaharam-pianarana ny ankamaroan’ny sekoly, tsy nisy ny fanelingelenana nandritra ny taom-pianarana. Ampy ny fotoana niatrehana ny lesona sy ny famerenana.
Tsy hivaona amin’ny fandaharam-pianarana sy ny zava-misy nomena tany an-tsekoly ny laza adina, raha ny toky nomen’ny mpampianatra.
Tokony ho andraikitry ny ray aman-dreny ny maka sy manatitra ireo mpianatra anio tontolo, miantoka ny fanaterana sakafo…
Fitoniana no takina amin’ny ankizy. Fanohanana sy fampaherezana no andrasana amin’ny ray aman-dreny tsy hisian’ny tebiteby ka mety hampikorontana ny sain’ny ankizy.
Isan-taona, herinandro dia mivoaka ny voka-panadinana ho an’ireo Cisco sasany. Miandry 2 na 3 herinandro kosa izany ho an’ireo ankabeazan’ny Cisco.
Tatiana A




