Ao anatin’ny fiahiana sy fampivoarana sahanin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, nanantanteraka fidinana ifotony, niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohotra, ny ekipan’ny minisitera, ny alin’ ny talata lasa teo. Nisy ny fanentanana natao tamin’ireo olona tsy manan-kialofana sy matory eny amin’ny sisin-dalana teny amin’ny faritr’i Behoririka, Tsaralalàna, Ambohidahy ary Analakely. Nentanina izy ireo hiala eny an-dalambe sy hifindra eny amin’ireo ivontoerana efa nomanin’ny fanjakana ao amin’ny Madcap sy Seba. Ankoatra ny fandraisana azy ireo an-tanana, hisitraka fiofanana arakasa ihany koa izy ireo ahazoany mizaka tena sy miverina miaina anaty fiarahamonina amim-pahamendrehana.
Tombanana hahery ny ranomasina any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo ary ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano antonony na vaventy avy atsimo na atsimo andrefana. Vinavinaina hahatratra 5m ny haavon’ny onja indraindray. Manomboka ny sabotsy, ny eo anelanelan’i Morombe hatrany Taolagnaro ary eo Taolagnaro hatrany Nosy Varika. Hiitatra tsikelikely amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy ny morontsiraka atsinanana iray manontolo izany, manomboka ny alahady. Misy fampitandremana miloko maitso ho an’i Morombe hatrany Taolagnaro ary eo Taolagnaro hatrany Nosy Varika.




