Sarimihetsika malagasy: Mpisehatra 156 nomena mariboninahitry ny kanto

Tazana tao avokoa ireo mpilalao sarimihetsika be mpankafy. Nahazo ny mari-boninahitry ny kanto koa anefa ireo mpisehatra tsy tazana amin’ny fahitalavitra…
57 nomena ny « Comman­deur », 41 « Officier » ary 58 kosa « Chevalier ». Niisa 156, araka izany, ireo mpisehatra anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy nomena ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina. Lanonana mendrika azy ireo no notontosaina tetsy amin’ny Havoria Anosy, omaly. Na­nolotra tsirairay ny mariboninahitra ny minisitry ny Ko­lon­tsaina sy ny serasera, Man­drindrarivony Ogascar, izay nampahatsiahy ny lanjan’izany. «Tsy fankalazana tsotra ny hetsika fa fotoana hanehoan’ny fanjakana ny fankasitrahany ireo olom-pirenena nanokana ny talentany sy ny heriny ho fampandrosoana ny sarimihetsika sy ny sarimiaina malagasy. Tsy ny rehetra no mahazo izany mariboninahitra izany fa ireo tena nandray anjara lehibe ho an’ny firenena» , hoy ny minisitra. Nano­me toky izy fa hijanona ho mpiara-miombon’antoka sy mpiahy ny sarimihetsika malagasy ny fanjakana. Nam­barany fa anisan’ireo hahazo tombony voalohany amin’ny TVM 2 ireo mpanao sarimihetsika.
Nahatsiaro manana mpiahy, ka naneho ny fankasitrahana kosa ireo mpisehatra. Nisolo tena ny namany i Fetra, anisan’ireo mpilalao nasongadin’ilay andian-tsarimihetsika « Malok’ila », izay angamba ny nalaza indrindra koa. Tazana tao ireo andrarezina sy kalaza toa an-dry Gégé Rasamoely, Nirina, Rajao, Pasitera, Raly, Akomba Ma­zoto, sns. Teo koa anefa ireo tanora vao misondrotra, efa be mpanaraka. Tsy nohadinoana ireo mpisehatra hafa ao ambadika, toa ny mpanoratra, mpanatontosa, mpandrindra, teknisianina, sns. Asa mifampiankina mantsy ny fanatontosana sarimihetsika iray, izay mbola nampahatsiahivin’ny talen’ny Ivon’ny sarimihetsika sy sarimiaina malagasy na ny ISSM. Hisy rahateo ny « Madagascar Film Festival – ISSM Awards », izay hatao ny volana aogositra ho avy izao, ho fanandratana hatrany ity seha-kanto ity.

Zo ny Aina

Partager sur: