Sehatry ny fandraharahana : Hamoaka ny andiany Sahy ny Iscam

Hotontasaina ny 02 jolay 2026, eny amin’ny CCI, Ivato, ny fanolorana mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra nanaraka fiofanana teo anivon’ny Iscam Business School. Andi­any faha-35, ampitondraina ny anarana hoe: “Sahy” izy ireo, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Ankadifotsy, oma­ly. Maneho tanjaka sy fahasahiana, herim-po ary fahavononana ny teny hoe Sahy ka antony nisafidianana azy. Ma­hatratra 576 isa ireo mpianatra nanaraka fiofanana hisitraka izany. Nahavita sy hahazo ny mari-pahaizana licence ny 300 isa amin’izy ireo. Raha mari-pahaizana Master sy ny Formation continue diplômante ny ambiny. Ahafantaran’ny maro ity sekoly ity ny fanofanana ireo tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy famoronana asa. «Volavolaina sy ampidirina ao an-tsain’ireo ankizy vao miditra any amin’ny taona voalohany izany mba hananan’izy ireo orinasa ho azy manokana», hoy ny tale mpanatanteraka ao amin’ny sekoly, Rakoto­vao Finaritra. Mampiavaka ity andiany ity ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha sy ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. «Tonga dia vonona ny hiasa avy hatrany ireo ankizy avoaka ireo ary afaka miditra amin’ny sehatra matihanina ihany koa», hoy Andrianarisoa Aaron, Respon­sable projet carrière eo anivon’ny sekoly. «Miditra eo amin’ ny sehatry ny asa izy manodidina ny dimy na telo taona dia avy eo lasa mpandrahadrahara», hoy ihany izy. Nambarany fa mahazo asa avokoa ny 90% ny mpianatra mivoaka eo anivon’ity sekoly ity. Tanjona tena ifotoran’izy ireo ny fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana sy famoronana asa.

Mino

Partager sur: