Ady fiady

 

Ny lainga iray rehefa averina in’arivo, hono, mivadika ho marina amin’ny farany? Ny marina iray rehefa viraviraina lava, lasa mamitaka. Izay ny politika? Indrindra rehefa tsy misy foto-kevitra na ideolojia mazava, afa-tsy ny fahazoana fahefam-panjakana. Izay no antom-pisiana sy ijoroana… Tsy mahagaga ny fisian’ny fivadibadihana lava: ny sakay sy maso omaly, mifampisakambina anio, noho ny hoe fahavalo iombonana dia izay eo amin’ny fitondrana: toherina bontolo. Ny mpiray donak’afo omaly, lasa mpifahavalo noho ny ady tombontsoa. Izay tombontsoa izay no manesika sy manosika amin’izay atao rehetra?
Hisy amin’izay ny fiovana sy fanovana amin’izao hoe fanavaozana izao? Na ny tontolo politika, na ny mpanao politika, na ny fanaovana politika… Efa manomboka tsy maharesy lahatra sy tsy mahataitra ary mahazatra, ohatra, ny fisian’ny tomponandraikitra ambony mametra-pialana eo amin’ny toerana misy azy? Izay mahasoa ny firenena no jerena fa tsy ny tombontsoan’ny tena… Efa foto-kevitra politika fakan-tahaka izay? Tsy ny lainga sy fitaka averimberina ho lasa marina intsony no entina sy mitondra, fa izay tena mahasoa ny firenena sy ny vahoaka. Izay no tsy hisian’ny krizy miverimberina… Hisiana fanjakana matanjaka sy tsara fototra, fa tsy mora hozongozonina ka izay miteny sy mihetsika rehetra dia ahina na soketaina ho manohintohina sy manongam-panjakana. Ahoana no hahatongavana amin’izany? Eo indrindra izao…
Ady fiady ny fikaonandoham-pirenena? Hiadiana ho amin’ny tena fanovana sy fanavaozana mba tsy ho fakana fahefam-panjakana fotsiny ny politika, tsy ady tombontsoa, tsy famitaham-bahoaka… Ny tena ihany no antony? Izay miova no afa-kanova, izay mihavao no afa-kanavao…

R. Nd.

Partager sur: