“Tokony tsy hihoatra ny volana oktobra ny fikaonandoham-pirenena hitambaran’ny besinimaro. Entanina ny FFKM hametrapetraka ny tetiandro”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny antoko Sehatra fampandrosoana ny demokrasia eto Madagasikara (SFDM) eo anivon’ny vovonana Diovy i Madagasikara, i Beanjara Paul, momba ny fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena. Tokony ho hay ny manambatra ny fokontany sy ny kaominina ary ny distrika hatao santatra. Asa, hatao amin’ny volana jolay izay? Rehefa vita izay, fikaonandoha any amin’ny Faritra, any amin’ny volana aogositra. Farafahelany, oktobra ny fikaonandoham-pirenena. Tsy mbola misy orana amin’izay, ary mbola samy afa-mankaty Antananarivo ny mpandray anjara rehetra. Tsy iandrasana novambra na desambra izany, fa latsaka ny orana. Ny olon’ny fitondrana sisa no afa-kamonjy izany fa tsy ny vahoaka, araka ny nambarany.
Matoa tsy vita ny fikaonandoham-pirenena hatramin’izao, misy fifandroritana ao. Izay manana olona betsaka amin’ny fikaonandoham-pirenena no tompon-daka: mivoaka tanteraka… Ho hita eo hoe misy mihazakazaka te hanao fifidianana, ao ny tsy mbola vonona… Misy koa ny federalista, ao ny tsy mila izany fa fanjakana tokana ihany. Izany rehetra izany no mahatonga ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena mikisaka lava. Tokony hifanaraka ny eo anivon’ny fitondrana fa raharaham-pirenena no atao.
R. Nd.




