Fandriana fahalemana

 

Tsy misy tanàna tsy itrangana tsy fandriampahalemana na asan-jiolahy; eny, na amin’ izay firenena faran’izay mandroso aza. Na izany aza, mila mahazo antoka ny olom-pirenena fa misy ny fiarovana azy sy ny fananany. Eo ny hoe tsy misy fampandrosoana, raha tsy misy fandriampahalemana. Tsy azo lavina koa, tsy misy fandriampahalemana raha tsy misy fandrosoana. Tsy manamarina ny fandikan-dalàna, fa ny fahantrana sy ny tsy fisian’asa, ohatra, no anisan’ny mahatonga ny asan-jiolahy, fandrobana soa iombonana… Misy ny te hanao hitsin-dalana amin’ny fananan-karena haingana sy tampoka. Tsy izany ve, ohatra, no nampirongatra ny fakana ankeriny zaza manana toe-tena varira? Finoanoam-poana amin’ny hoe masobe tsy mahita anaovana sorona olona.
Mila miara-dalana mandrakariva ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana. Marin-toerana ny fandriampahalemana hisian’ny fampandrosoana. Izay no hahazoana mamokatra, miasa… Ny fandrosoana koa no hisian’ny fandriampahalemana maharitra. Mby aiza? Indrindra izay notakina nahatonga ny fidinana an-dalambe tamin’ny taon-dasa… Tsy fisian’ny fivoarana amin’ny famatsian-jiro sy rano ve, ohatra, no nahatonga ny korontana teto amin’ny tany sy ny fanjakana? Tsy mifankaiza amin’izany ny amin’ny famoronana asa, ny fampanjakana ny fandriampahalemana… Izay no hisian’ny filaminana sy fitoniana. Mila mazava sy hita ary iainana ny asa fampandrosoana, raha tiana ny hisian’ny filaminana maharitra sy azo antoka.
Tsia, tsy hoe tsy fisian’ny asan-jiolahy fotsiny ny filaminana fa eo indrindra koa ny fitonian-tsaina sy fahazoana antoka ny hoavy. Mby aiza? Na mizotra ho amin’izany izao fitondrana Fanavaozana izao… Be lavitra hatrany ny tsy vita sy ny tokony hatao?

R. Nd.

Partager sur: