Nandiso ny naoty fanerena ny mpiasam-panjakana hanatrika ny matso eny Mahamasina ny minisitry Seresera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa. « Tsy marina velively ary tsy avy amin’ny fitondram-panjakana iny naoty iny. Ireo efa naloan’ny vahoaka no mivoy izany mba hankahalana ny fitondrana mijoro sy ny tenako minisitra », hoy izy.
Nankalaza ny faha-250 taonan’ny fahaleovantenany i Etazonia. Nomarihina koa ny faha-160 taona niarahana niasa tamin’i Madagasikara. Nambaran’ny mpiandraiki-draharaha Amerikanina, Stéphanie Arnold, tetsy Ivandry, afakomaly, fa ny nahatonga ny fanorenana an’i Etazonia dia ny fiheverana fa tsy azo avy amin’ny ezaka ny fitoviana…
Mety hangataka fivoriana tsy ara-potoana ny Antenimiera, araka ny nambaran’ny filohany, Randrianasoloniaiko Siteny. Nambarany ho anton’izany ny fahateren’ny fotoana. Tokony hifarana ny fiandohan’ny volana jolay ny fivoriana amin’izao fotoana izao. « Mbola maro ireo lalàna tokony hodinihina sy handalo fankatoavana », hoy izy.
Nanentana ireo tanora ny depiote « Del kely » mba ho avy hanatrika ny adihevitra eny amin’ny Antenimierampirenena, ahalalan’izy ireo ny zava-misy eny. Mbola ao anatin’ny asam-baomiera ny tetibolam-panjakana amin’izao fotoana izao. « Any amin’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina no iantsoana azy ireo hanatrika izany », hoy izy.




