HCC : Vita fianianana ireo mpanolotsaina avo vaovao

Vita fianianana tamin’ny fotoam-pitsarana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Am­bohidahy, omaly, ireo mpanolotsaina avo roa vaovao, izay vao nofidian’ny Antenimieram­pirenena. Tsy iza fa Vazison Honoré sy Razafindramasy Faralahy Célestin, izay mpandimby toerana an’ireo roa vao nametra-pialana tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Tamin’ny fianianana, nanolo-tena hanatanteraka antsakany sy andavany ny andraikiny izy ireo: handray fanapahan-kevitra amim-pahaleovantena sy amim-pahitsiana, tsy hiangatra ary tsy hanaiky tsindry. Ny lalàmpanorenana sy ireo foto-kevi-dehibe mifehy ny asa aman’andraikiny no hitari-dalana azy ireo. Eo koa ny fitandroana hatrany ny tsiambaratelon’ny Fitsarana. Fito taona ny fe-potoam-piasan’izy ireo, tsy azo havaozina. Hanatevin-daharana ny andrimpanjakana misahana ny fiarovana sy fampanajana ny lalàmpanorenana. Toy izany koa ny fanaraha-maso ny fahamarinan’ny fifidianana sy ny fandinihana ny fifanarahan’ny lalàna amin’ny lalàmpanorenana. Eo koa ny fiarovana sy ny fanajana ny lalàmpanorenana izay fototry ny asa aman’andraikitry ny HCC.
Na izany aza, nisy ny fanehoan-kevitra nilaza fa tsy ara-dalàna ny nifidianana azy ireo noho ny tsy fisian’ny didim-panjakana nilaza ny fahabangan-toerana sy nitaona ny Antenimierampirenena hifidy izay ho solontenany ao amin’ny HCC. Nanoloana izany, voalaza ny teo anivon’ny HCC fa nandalo tamin’ireo rafitra sy andrimpanjakana voakasika ny antontan-taratasy, talohan’ny namoahan’ny filohan’ny Fanavaozana ny didim-panjakana nanendrena azy ireo amin’ny fomba ofisialy.

R. Nd.

Partager sur: