INDRAY MIJERY

Araka ny didim-pitondrana laharana faha-195/mid/pref.pol.tana/osp.26 navoakan’ny prefektioran’ny polisy Antananarivo, ny 12 jona 2026, dia voarara tanteraka ny fampiasana tsipoapoaka sy « laser » rehetra. Toy izany koa, ny fanaovana na filalaovana fitaovana hafa mitovy endrika amin’ireo, indrindra eny Ivato izay manelingelina ireo mpanamory fiaramanidina. Ny fandikana ny fepetra voalazan’ity didim-pitondrana ity dia sazian’ny didy aman-dalàna manan-kery sy ireo sazy hafa ara-panjakana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Mivoaka tsikelikely ny voka-panadinana CEPE amin’ireo Cisco sasantsasany. Ho an’ny Cisco Manjakandriana, nahatratra 91,28% ny voka-panadinana. Cisco Iakora: 73,51%, Cisco Morafenobe: 92, 24%, Cisco Manjakandriana : 91,28%, Cisco Bene­nitra: 77,74%, Cisco Ambatolampy: 87,06%

Partager sur: