Hanana «Festival» vaovao hanampy ny efa misy i Toamasina. Nampahafantarina omaly ny «Island Vibes Festival», izay hatao ny 17 hatramin’ny 19 jolay izao, ao amin’ny tokotanin’ny Arena Toamasina. « Fa maninona no any ? Satria tokoa saika taty Antananarivo io no natao tany am-boalohany. Izaho kosa monina any Toamasina efa ho roa taona izao, ka nandona ny foko ny fahavoazana noho ny rivodoza iny tao Toamasina. Nanapa-kevitra izahay hoe aleo hanao zavatra tsara, sady hanampy ny mponina no hanome laza tsara an’i Toamasina », hoy ny nambaran’i Fabrice Ramaye tamin’ny mpanao gazety, omaly. Izy no tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Van Events Concept Prod, mpikarakara. Hanampy azy ireo kosa ny First Événementiel amin’ny tantsoroka ara-teknika rehetra.
Mpanakanto maro avy amin’ ireo Nosy rahavavy no avy any Toamasina amin’io : Michael Pouvin, Mc Box, Fafass, Sns. Hanampy ireo ny mpanakanto malagasy toa an-dry Elidiot, Stéphanie, Jack Dad, Elodie, Arnah, Vilon’ Androy, Sakateboy, Balita, sns. «Nosafidiana manokana ireo, noho ny fifandraisako amin’ireo mpanakanto aloha, voalohany. Eo koa ny fitiavan’izy ireo ny hetsika hatao», hoy hatrany i Fabrice, izay tsiahivina fa mpanakanto ihany koa, ary teratany renioney.
Zo ny Aina




