Mandroso miadana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny baolina kitra (Mondial 2026). Na tsy mbola nahavita ny andro faharoa aza, ny ankamaroan’ireo sokajy samihafa, fantatra kosa fa efa misy ireo firenena tafita amin’ny dingana manaraka ary ao koa ireo mangorom-damba, na mbola misy ny andro fahatelo izay tsy hampiova na inona na inona intsony.
Mitohy hatrany ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany (Mondial 2026), taranja baolina kitra. Fifaninanana tanterahina any Canada sy Mexique ary Etats-Unis. Taorian’ny fahavitan’ny andro faharoa, natao ny sabotsy lasa teo firenena telo no nahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana ampaha-16-ndalana. Anisan’izany ireo mpampiantrano roa dia i Mexique ho an’ny vondrona “A“ sy Etats-Unis ny vondrona “D”. Samy nahazo fandresena roa avy izy ireo ka manana isa 6. Ankoatra izay, manohy ny diany ihany koa ny Mannschaft-n’i Allemagne ho an’ny sokajy “E”, izay nahazo isa 6 ihany koa. Allemagne, nandresy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa 2 no ho 1, omaly. Fihaonana, tena nandrasan’ny rehetra. Nitarika tamin’ny isa 1 ny ivoarianina, baolina matin’i Kessié, minitra faha-35. Avy eo nosahalain’i Deniz Undav, minitra faha-68 sy 90 + 4. Hiankina amin’ny lalao farany hikatrohany amin’i Curaçao ny hahatafita na tsia ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.
Ankoatra izay, firenena telo ihany koa no efa mangorom-damba fa tsy tafakatra intsony. Anisan’izany, i Tunisie ao amin’ ny sokajy “F”, izay nomontsanin’i Japon, tamin’ny isa 4 no ho 0, omaly. Tsy nahavita nanarina ny fahavoazan’ity ekipa ity, i Hervé Renard izay nantsoina hitondra azy, tamin’ny fotoana farany. Eo koa i Haiti ho an’ny vondrona “C” ary i Turquie ho an’ny sokajy “D”. Samy resy indroa avy ireo ekipa ireo ary tsy mbola manana isa.
Tompondaka




