Nisy disadisa ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ Analamanga, taranja karate ny sabotsy lasa teo, teny amin’ ny kianja mitafon’Ankatso. Nanana seksiona roa mantsy Antananarivo Renivohitra tonga teny an-toerana ka izay no nisian’ny olana. «Nahavita ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona izahay ny 22 aogositra lasa teo. Nahazo tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligy ireo atleta nandresy, tamin’ izany. Ny zoma lasa teo, nandritra ny fivoriambe ara-potoana mbola nomena alalana izahay hiatrika io fifaninanana io, saingy rehefa tonga eto, nosakanana fa hoe : tsy nankatoavin’ny Federasionina ny fifaninanana nataonay. Ny vola fandraisana anjara nefa voaloa», hoy i Harinaivo Philippe Augustin, sekretera jeneralin’ny seksiona voasakana. Nomarihiny fa misy seksiona tsy manana na taratasy fanamarinana fitsanganana nefa mandray anjara. Araka izany, hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana izy ireo.
Tetsy andaniny, nolazain-dRakotomalala Pierrot, filohan’ny ligin’Analamanga fa izay seksiona manana kara-pilalaovana sy pasipaoro eken’ny Federasionina ihany no afaka mandray anjara. Notsindriany fa efa naverina manontolo tany amin’ilay seksiona ny vola fandraisana anjaran’izy ireo. Taorian’izay, nanomboka ny fifaninanana ary tontosa soa aman-tsara.
Tompondaka




