Nanomboka ny taona 2018 ny fandaharanasa Défis, ary ny taona 2024 ny andiany faharoa, Défis+, izay hifarana amin’ny taona 2030. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA). Mitentina 150,8 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, ka avy amin’ny FIDA ny 97 tapitrisa dolara, raha 53,9 tapitrisa dolara avy amin’ny Tahirimbola maitso ho an’ny toetr’andro (FVC).
Nisy ny tombana amin’izao fisasahan’ny fanatanterahana azy izao. Hita sy azo refesina ny zava-bita sy ny fiovana tao anatin’izay 8 taona nisiany izay. Mahatratra 205 700 ny tokantrano mpamokatra nisitraka ny asa sy ny tohana. Nomena lanja ny vehivavy sy ny tanora, manana anjara-toerana lehibe amin’ny fanovana sy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Nisy ny tohodrano natsangana, manondraka velaran-tany mitotaly 13 500 ha, hanatsarana ny fambolena.
Tanjona, ny hanohanana mivantana tantsaha madinika, manodidina ny 500 000, sy tohana tsy mivantana ho an’ny olona 3,5 tapitrisa eny ambanivohitra. Faritra enina (Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Ihorombe, Atsimo Atsinanana).
Njaka A.




