Fiangonana FVKFM: havan’ny voafonja 1 000 nahazo fanampiana

Fianakavian’ireo olona voafonja eto Antananarivo, miisa 1 000 no nizarana fanampiana ny faran’ny herinandro teo, tetsy Ankorondrano. Vary milanja 4 taonina sy sasany, siramamy 1 taonina, menaka 22 daba na 1040 litatra, paty, baran-tsavony 1 000 isa, tsaramaso 1 taonina ary sira 500 fonosana no notsinjaraina ho azy ireo tamin’izany.
Iraka ataon’ny fiangonana FVKFM izao natao izao, izay mikendry ny fanapariahana ny vaovao mahafaly amin’ny olona rehetra manerana ny firenena rehetra, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
Itoeran’ny alahelo sy ny famoizam-po ary ny fahaketrahana ny fonja ka amin’izy ireo indrindra no iantefan’ny iraka hanome azy ireo indray ny fanatenana. Ankoatra ny fanomezana tohana ara-tsakafo izay efa fanao rehefa ankatoky ny fety toy izao, manome ny tenin’ny fahamarinana sy hitondra fifaliana ho an’ny fon’ireo fianakavian’ny voafonja indrindra koa ny fiangonana FVKFM.
Efa hetsika fanaon’ny fiangonana hatrizay ny manampy ny olona voafonja amin’ny edriny maro samihafa, hoy i Manilson Pimenta, tomponandraikitry ny hetsika ara-tsosialin’ity fiangonana ity.

Tatiana A

Partager sur: