Vonona hanohana ny tanora mandraharaha eo amin’ny sehatry ny Kolontsaina sy ny famoronana (ICC) ny Zafy Tody sy NextA amin’ny alalan’ny fandaharanasa «Hasina Youth Bootcamp». Hetsika hatao ny 8-11 jolay eny amin’ny Cité des Cultures, Antaninarenina. Kendrena ny hanofanana tanora miisa 30 ka ahafahan’izy ireo manova hevitra ho lasa tetikasa maharitra izay fanoitra amin’ny famoronan’asa sy hampandrosoana ny toekarena. Kendrena manokana ny sehatry lamaody, ny hosodoko, ny asa tanana, ny horonantsary, fakan-tsary sns. “Amin’ny maha-incubateur dia nitsiry ny hevitra hanomezana fiofanana ny tanora mba hananan’izy ireo orinasa maharitra”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Zafy Tody, Razanadambo Nantenaina. Hifantoka amin’ny fototra iorenan’ny fandraharahana ny fiofanana. Tafiditra ao anatin’izany ny fomba fitantanana ny orinasa, ny fametrahana ny marika, fanolorana tetikasa sns.
Tohana
Hojerena mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika ny sanda fanampin’ilay tetikasa. Ao anatin’izany ny vokatra sy ny tolotra ataony. Hisitraka tohana avy amin’ny Zafy Tody mandritra ny enim-bolana kosa ireo tetikasa telo mendrika indrindra, raha ny fanazavana hatrany. Marihina fa maimaimpoana ny fandraisana ny atontan-taratasin’ireo tanora maniry hisitraka ny fiofanana. Mbola hitohy hatramin’ny 27 jona izany.
Henintsoa




