Mpifaninana 100 no tafakatra tamin’ny dingana faharoa an’ilay fifaninanana « Fanilo Voice 2026 ». Hiatrika ny ampahefa-dalana izy ireo.
Niditra tamin’ny dingana faharoa. Taorian’ny dingana fifanitsanana notanterahina ny 13 sy 14 jona teo, mpifaninana 100 tamin’ireo 210 nisoratra anarana no tafakatra tamin’ny dingana faharoa tamin’ilay fifaninanana “Fanilo Voice 2026”, notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Ilo Hôtel, Andakana. Nisongadina tamin’izany ny “Battles”, izay nanehoan’ireo mpifaninana ny talentany tamin’ny fampiaraham-peo tamin’ny mpifanandrina iray tamin’ny alalan’ny antsapaka. “Tsy tena fampiaraham-peo no andrasana aminareo fa fifanandrinana ara-peo”, hoy ny tale jeneralin’ny Ilo Hôtel, izay tompomarika sy mpikarakara ny fifaninanana. Io no dingana nifantenana ireo 50 mianadahy hiatrika ny ampahefa-dalana, ny manasa-dalana ary ny famaranana lehibe izay hotanterahina ny 27 sy 28 jona izao.
Manomboka eo amin’ny ampahefa-dalana, ireo mpifaninana dia manan-tsafidy amin’ireo mpitsara telo mirahalahy, Rajery, Christian Salala ary Rija Kely, izay ho mpanazatra (coach) tiany hiaraha-miasa mandra-pahatongan’ny famaranana mba hanatsarana ny teknika, ny fahaiza-mandika hira ary ny fisehoana an-tsehatra.
Araka ny nambaran’i Salala, filohan’ny mpitsara, tena sarotra ny fifantenana noho ny haavon’ny talenta asehon’ireo mpifaninana. « Efa sarotra ny fandidiana satria samy manana ny talentany ireo mpandray anjara. Anisan’ny jerena amin’ny fitsarana ny fahaizan’ny mpandray anjara maneho ny maha izy azy », hoy izy.
Mitentina 10 tapitrisa Ariary ny loka ho an’ireo telo voalohany, ankoatra ireo loka manokana maro. Nambaran-dRatsimbazafy Mialy, tomponandraikitra ao amin’ny Ilo Hôtel, fa: « Ankoatra ireo telo voalohany dia hisy loka samihafa homena ireo mpandray anjara. Hanana anjara biriky ihany koa hanolotra ny lokan’ny mpanao gazety, ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny kolontsaina Sorakanto. Ny alahady 28 jona no hahafantarana ireo rehetra mahazo loka amin’ity fifaninanana ity ».
Amin’ny alalan’ny Fanilo Voice, mikendry ny hampisongadina ireo talenta vao eo amin’ny sehatry ny hira sy ny mozika malagasy ny Ilo Hôtel, sady maniry ny hametraka ity hetsika ity ho anisan’ireo fotoana lehibe andrasan’ny tontolon’ny mozika eto Madagasikara isan-taona.
Zo ny Aina




