Naneho ny heviny manoloana ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Nitodika manokana amin’ny FFKM izy ireo tamin’izany.
“Mangataka ny FFKM izahay hisian’ny fangaraharana kokoa ny amin’ny fikaonandoham-pirenena: inona no ketrehina izao, inona ny zava-misy, ho aiza isika, ary fotoana manao ahoana, amin’ny fomba ahoana… ?”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny amin’ny fikarakarana fikaonandoham-pirenena. Lasa miroaroa saina ny olona ary miha mitombo ny tsy fahatokisana ny dingana fanatanterahana. Manomboka mandeha ny resaka hoe: sao efa misy zavatra voaomana any, sao sarin’ady fotsiny no hatao… ? Koa angatahina ny FFKM hanao serasera hahazoan’ny olona antoka fa hatao ny fikaonandoham-pirenena ary hatao tsara. Tsara raha samy manao fikaonandoha ny Faritra rehetra mba hanamora ny dingana amin’ny fikaonandoham-pirenena.
“Asa mandra-pahatonga ny fikaonandoham-paritra ny ataon’ny Ceni amin’izao: fanomanana ny lisi-pifidianana”, hoy kosa izy momba ny Ceni. Izay no tsy nampitovy hevitra ny samy fiarahamonina sivily, fa misy mahita hoe tsy ilaina ny Ceni.
Fanomanana lisi-pifidianana
Aminy, ilaina raha te hanomana fifidianana. Tapitra amin’ny 2027 ny fe-potoam-piasan’ny Ceni. Tsy ny fikaonandoham-pirenena no manana fahefana hivadika ho lalàna, fa ny lalàmpanorenana no miteny hoe: mbola Ceni ve no mikarakara fifidianana sa… ? Noho izany, manao ny asany ny Ceni mandra-pahatonga ny fifidianana na fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana. Tsy hoe miasa tsy ilaina ny Ceni amin’izao, fa miasa ho amin’ny dingana hivoahana amin’ny Repoblika IV. Mbola fanapahan-kevitra any amin’ny fikaonandoham-pirenena ny hoe mety hiverina any amin’ny minisiteran’ny Atitany ny fikarakarana fifidianana. Mbola handalo amin’ny fifidianana na fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana izany.
R. Nd.




