Nandeha aloha izay ny fotoam-pivavahana. Samy niaiky ny rehetra fa ao amin’Andriamanitra aloha ny zava-drehetra. Vita izay, hiditra an-tsehatra ny maha olombelona. Efa namoaka tetiandro ny raiamandreny am-panahy. Herintaona be izao vao ho vita izany ka mifanandrify amin’ny fahataperan’ny tokony ho fotoam-pitondran’ny filoha lanim-bahoaka, Rajoelina Andry. Efa tapatapaky ny taona ho avy vao hivoaka avokoa ny lalàna fototra isan-karazany. Aorian’izany vao hisy ny datim-pifidianana.
Hatreto, milokaloka ny mpitondra fa dia hiainga avy any ifotony ny zava-drehetra. Hivoaka avy amin’ny tena vahoaka ny hevitra tapaka. Manamafy izay rahateo ry zareo nampibabena ny andraikitra. Ho hita eo raha ho tena voahaja izay na ho sarintsariny fotsiny ihany toy ny mahazatra an-dRamalagasy. Ny fitapitaka madinidinika, izay tsy miala amintsika mianakavy ireny, indrindra ny mpiantsehatra politika. Efa manao ny fanaony hatramin’ny mpitondra fivavahana izay heverina ho ” masina” aza. Masina toa masina midika masirasira ry zalahy.
Hatreto, misy ny fanadihadiana atao mahakasika ilay lamina, tiana hifampizarana ny mbola tsy fahampian’ny mangarahara. Kitranoantrano ve sa inona loatra? Misy tombontsoa hisalobonan-komana ve? Mifanipaka ihany mantsy ny zava-misy. Manao antso avo ry mpitondra fivavahana sy ny mpikarakara. Misy anefa ny mandaha-tena, maneho fahavononana no harirarira. Lazaina fa mbola ho dinihina sy mandamina, ny asa anefa efa mandeha ihany. Tokony ho rehefa tsy ilaina dia tsorina fa tsy ilaina ny olona ivelan’ny ” boriborinareo”. Tsy fiatsarambelatsihy velively no hanorenana ilay fikaonandoha.
Betsaka no azo ambara. Fialokalofan’ny tomponandraikitra mba hialana ilany rahateo ny hoe : Tsy mora ny manao zavatra. Ny zava-misy kosa dia kobokobonina sy atao anatin’ny kajikajy tsy mazava ny zava-drehetra. Ny Filohan’ny Fanavaozana anefa efa miezaka ny ho tanteram-pahazavana amin’izay lazainy sy hataony. Milokaloka fifidianana marina sy tena fototry ny fanovana andrandrain’ny Malagasy. Tsy tokony hisy ny handoto rano indray.
r.r




