Nitohy tany Sava indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-mianga, ny herinandro teo. Nitondra ny heviny sy ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena izy ireo tamin’izany.
« Tsy azo ihodivirana ny fitsinjaram-pahefana tena izy miaraka amin’ny fizakan-tenan’ ireo Faritra 24 ary tsy azo ekena ny fampizarazarana ny Malagasy. Niezaka ho amin’ny fampiraisam-pirenena ny MMM ary tsy mankasitraka ny fampiadiana ny samy tanora na ny samy Malagasy », hoy ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, nitarika izao fikaonandoha izao. Nohitsiny fa tsy ny aty Antananarivo no tokony hanapaka ny momba ny vokatra lavanila. Ilaina ny fanapahan-kevitry ny eny ifotony fa anjaran’ny fanjakana kosa ny mametraka ny fepetra sy lalàna momba izany. Nohitsiny koa fa tsy azo ekena ny sarintsarim-pifidianana. « Mitaky isika ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara tsy hiverenan’ny krizy sy hananganana firenena vanona », hoy izy. Nanteriny koa fa tsy mbola vita ny tolona ary mbola andalana ny fanovana. Mila manana faharetana sy fihafiana izany fa tsy misy ny fahagagana. Samy resy lahatra ary nanamafy ireo mpizaika fa ilaina ny faritra mahazaka tena hahafahana mandray an-tànana ny fampandrosoana isam-paritra. « Mamaly ny hetahetan’ny olom-pirenena izany. Ilaina apetraka koa ny rafi-pifidianana madio sy azo antoka ho fampanjakana ny demokrasia eny ifotony », hoy ireo mpikambana.
Tsiahivina fa haroson’ny MMM any amin’ny fikaonandoham-pirenena, hatao atsy ho atsy, izany fehin-kevitra izany, indrindra hoentina hanatsarana ny fandaharanasan’ny MMM ho amin’ny hoavy.
Synèse R.




