Nanao fitsidihana voalohany tany Etazonia, tamin’ny alalan’ny fandaharanasa International Visitor Leadership Program (IVPL) ny Dr. Andriananja Volatiana, lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny areti-mifindra ao amin’ny CHU Befelatanana. Nanatri-maso ny fahaiza-manao amerikanina tao amin’ ny Cleveland Clinic, iray amin’ireo ivontoeram-pitsaboana lehibe indrindra maneran-tany ny tenany.
Misy fandriana fandraisana marary 6 000 isa. Feno teknolojia arifomba, fikarohana miavaka momba ny areti-mifindra ary ny fanoloran-tenan’ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fandraisana an-tanana ny marary ao an-toerana.
Niainga tamin’ny fanaraha-maso ny moka sy ny fiomanana amin’ny fampihorohoroana amin’ny alalan’ny singa biolojika (bioterrorism), nijery ny fifandraisan’ny siansa sy ny teknolojia amin’ny fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka ihany koa ny Dr Andriananja Volatiana.
Nanasongadina ny fahaiza-manao amerikanina eo amin’ny lafiny fitsaboana sy ny fikarohana ny zavatra hitany nandritra ny fitsidihany.
“Tena mampirisika ahy hanohy hanonofy, hianatra, ary handroso hatrany ity diako ity”, hoy izy.
Tatiana A




