Tokony ho fanilo !

 

Nifarana omaly ny fankalazana ny faha-160 taonan’ny gazety malagasy. Maro ny hetsika nanamarihana izany. Nahafahana nifampizarana traikefa sy fahaiza-manao. Nampitana fanilo tamin’ny solofo dimbin’ny ala. Niaraha-namakivaky sy niaina tantara maro. Nifampitarihan-dalana ho amin’ny zato na roan-jato taona manaraka.
Vita ny fankalazana saingy nisy fanontaniana iray saro-baliana niverimberina foana: aiza ho aiza ilay firaisankina sy firahalahiana? Hita fa vitsy dia vitsy no nanohina ny antso tamin’ny hetsika isan-karazany raha nitaha amin’ireo milaza fa matihanina nomena karatra. Tsy latsaky ny 4000 no nisitraka izany efa-taona lasa izay.
Nakaiza daholo ireny olona ireny? Sanatria’ny vava lasa fialokalofana sy fitadiavana fahazoan-dalana hanaovana zavatra hafa ilay karatra na ny nahampikambana. Mahamenatra raha ny kisary nivoaka tao anatin’ny herinandro. Vitsy an’isa no sahy nijoro, niseho masoandro fa mpanao gazety. Mila tonga saina mihitsy izay mbola saro-piaro amin’ity asa ity. Lasa varo-boba, tafiditry ny mpikaraman’ady ny asa. Fikaraman’ny tsy an’asa ka nahavita karatra famatarana hoe “Presse”, hono!
Ny tiana ho lazaina sy asiana tsindrim-peo anio dia ny hoe mba mifohaza ! Aza sodokan’ny politika fa zary maty momoka ilay asa. Takona ny hasina maha izy azy fa baikoan’ny tombontsoa manokana. Hamadika pejy manomboka anio dia mino fa ho fanilo fa tsy ho tsilovina ilay mpanao gazety.

r.r

Partager sur: