Nahoraka teny amin’ny tambajotran-tserasera ny haremben’ny mpitondra tato ho ato. Misy mihitsy ny mamoaka laharana fa anisan’ny henjana sy sangany aty Afrika ny sasany. Sorabola be tsy tambo isaina izany mirantiranty izany. Tena mamono lolo tsotra izao ary mampiaiky volana ara-bakiteny. Raha maivamaivana fomba fandraisan-javatra aloha dia misendoadoatra mihitsy. Mety ho tapaka lalandra amin’ny fialonana.
Hatraiza anefa ny fahamarinan’ireny ranty ireny? Iaraha-mahalala rahateo ny fomba fanaovana politika eto amin’ny tanàna. Mifototra amin’ny fifanalam-baraka sy ny fanimbana olona ka samy te hihinana manokana. Mitady ny hirika mba hamelezana izay tsy mifanarakaraka amin’ny kajikajin’ny tena. Ny tena loza, zary ampirisihina hanao fitsaram-bahoaka amin’ny antony tsy voamarina ilay tsimandadiharona. Vokisana am-bolony fotsiny dia misendoadoatra fahatany.
Ekena, tsy misy mandà na mamaly ireny vaovao mivoaka ireny ireo voakasika. Tsy midika ho fanekena ny fiampangana izany. Raha fehezina, ilay toe-tsaina ory hava-manana mila esorina, andaniny. Ilay fanararaotam-pahefana anangonan-karena amin’ilay tetezamita mila hialana, ankilany. Mba samy misitraka tsikelikely izay azo ihoriranana eny daholo Ramalagasy. Tsy mety ilay ampihimamba sy misalobon-komana ka manao ambanin-javatra ny mpiray tanindrazana.
Fanavaozana tena ilaina izao dia ny mba hiarahana mitroka ny tombontsoa iraisan’ny daholobe. Tsy fanavaozana na fanatsarana tombontsoan’olom-bitsy sy manokana.
r.r





