Podium tetsy Mahamasina: vahiny manokana ireo mpanakanto avy any Rosia

Nanehoana kolontsaina marolafy ny tetsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, omaly. Nanaitra ny rehetra ny fandraisana anjaran’ireo vahiny rosianina.

Ny gadona efa fandre ihany, fa ny feony kosa dia vaovao tanteraka… Na izany aza, nitondra hafaliana ho an’ireo izay nanatrika ny « Podium » lehibe tetsy Ma­hamasina, omaly tolakandro, ireo mpanakanto avy any Rosia. Vahiny nasaina manokana noho ny fankalazana ny Fetim-pirenena malagasy izy ireo. Am-polony maro ka ny sasany nitendry sy nihira teny an-tsehatra, ary ny hafa kosa nandihy tety ambany. Irony karazana dihy mihaja fanaon’olon-droa irony ny nasehon’izy ireo, izay nampihoraka ny mpijery satria tsy fahita teo Mahamasina hatramin’izay. Fantatra fa mbola hanolotra seho maimaimpoana ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy ireo, ny alahady izao.
Nialoha ireo vahiny, nanokatra ny hetsika rehetra teo Mahamasina, ireo antoko mpihira avy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Tao ireo ivondronana miaramila, ny ivondronan’ireo avy amin’ny minisitera sy ny andrimpanjakana, sns. Taorian’ny matson’ny miaramila kosa indray ny mitabe nataon’ireo tanora mpandihy, narahin’ny fihetsika mirindra, nasehon’ireo teny amin’ny « gradins ». Niverina avy eo ny Tanora Masina Itaosy, namarana ny hira fiderana, nialoha ny nidiran’ireo tarika nanafana ny tapany faharoa, ny tolakandro.
Hafa noho ny mahazatra ny maso sy sofina ny hira nentin’i Ken nanokafana izany. Izy no nanao Ilay hira fanevan’ny fankalazana ny Fetim-pirenena tamin’ity, ka tazana niaraka taminy teny an-tsehatra ireo mpanao vakisaova. Tao­rian’ izay ny nandefasana ny voromailala, marik’ilay fahaleovantena izay marihina isaky ny 26 jona koa ny fiverenany.
Niezaka ny nanasongadina ireo gadona sy mozika avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara ireo tarika no­safidiana manokana. Ry Lego, Rahavana, Fy, Mikea, Iraim­bilanja, Bolo, Mahaleo taranaka, Kaiamba, Voni­navoko, Kougar, Nate Tex, Sakate­boy, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: