EPP Sevohipoty : Nitombo avo dimy heny ny mpianatra

Nisokatra ny taona 2015 ny akany fibeazana ao amin’ny EPP Sevohipoty. Tsy narisika loatra ny ray aman-dreny, tany am-boalohany. Zara raha nisy 60 teo ho eo ny zaza noraisina an-tanana. “Niova izany ankehitriny, miakatra avo dimy heny ny isan’ny mpianatra. Maha­tratra 311 izy ireo ao amin’ny akany fibeazana (préscolaire). Nahatonga izany ny fanentanana sy ny fandalovana tao amin’ny toeram-pilalaovana sy ny toby PNNC”, hoy ny talen’ny EPP, Tahintsoa Mahefarivo Clarck. 11 ème vao niditra an-tsekoly ny zaza taloha. Anke­hitriny, noho ny fanentanana azony, mazoto mampiana-janaka ny ray aman-dreny. Manana fahalalana hafa ireo zaza mandalo toeram-pilalaovana sy toby PNNC miohatra ny ankizy sasany, araka ny nambarany ihany.
Miisa 1 000 ny mpianatra ao amin’io EPP io, mizara isaky ny tapakandro ny fampianarana. Mahatratra 100 isa mahery ny mpianatra iray kilasy noho ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana. Tody hatramin’ny 7ème avokoa anefa ny ankamaroany.
87% ny taham-pahafahana CEPE 2025. “Misy tantsoroka omen’ny Unicef ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Nampiharina amin’ny mpampianatra isan-tsekoly izany. EPP fito no raisina miaraka isam-bolana”, hoy ny sefo Zap Ambovombe I, Razafi­man­dimby Pauline. Ankoatra izay, mizara kits scolaire ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra koa ny Unicef handrisihana sy hitazonana ny ankizy an-tsekoly. Tena ma­nin­tona ny ankizy hijanona any an-dakilasy koa ny fisian’ ny toeram-pisakafoana.

Vonjy

Partager sur: