Famerenana tsiahy : Tsy voafafan’ny fotoana ireo kanton’i Vola sy Noro

Tsy levon’ny vanim-potoana nifandimby ireo kanto navelan’i Vola sy Noro. Nanamarina izany ilay seho notontosaina omaly.

«Famerenana tsiahy ho an’i Vola sy Noro », fampisehoana an-tsehatra notanterahina, omaly, tao amin’ny CCEsca Antanimena. Na, efa ela aza no tsy re firy intsony ireo hira nokaloin’ireo mpanakanto ireo, tsikaritra avy hatrany fa namela kanto tsy lefin’ny vanim-potoana i Vola sy Noro. Iray amin’ireo nanamarika izany teny an-tsehatra ny fandrindrana ny hira izay nahatsapana sy nahenoina fa notazonina sy nohajaina fatratra. Nanamafy izany ny fahitana an’i Solo Andrianasolo teny an-tsehatra. Iray amin’ireo andrarezin’ny hira sy ny mozika efa niaraka tamin’i Vola sy Noro teo amin’ny tontolon’ny hira. Tahaka izany ihany koa ny feo izay nezahin’i Mialy sy Ranja, Bao sy Rondro notazonina fatratra ilay mampiavaka an’i Vola sy Noro. Saika ireo hira nokaloin’i Vola sy Noro sy tsy afaka ao am-pon’ny mpitia zavakanto rahateo no no­kaloin­’izy ireo teny an-tsehatra. Hany ka vao mainka nampitombo ny tsiahy tany amin’ ny tsirairay… Nitambolonan’ny tantara niseho teo amin’ny fiainan’izy ireo, sns.
Nanamarika ity fampisehoana ity ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo mpanakanto sy tarika nasaina. Nisy ny fampiaraham-peon’ireto dimbin’i Vola sy Noro ireto sy Voa­hirana. Ny fandraisana anjaran’­ ny tarika Ny Voanio (Tara­naka), sns. Nahenoina fangatahana mba haverina avy any amin’ny mpijery avokoa izy ireny.
Marihina fa tsy mifanalavitra, rahateo, ny vanim-potoana nampisongadina azy ireo (Vola sy Noro, tarika Ny Voanio…) sy ny kanto ataony. Vokatr’izay, niray feo ny mpijery ny hisian’ny firaisana sehatra eo amin’ny samy taranaka. Fantatra, omaly, ary fa misy ny vina hanatanterahina fampisehoana an-tsehatra hiarahan’ny taranaka Ny Voanio sy ny zanak’i Vola sy Noro, amin’ny volana septambra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: