Hay Tsingory : Nampahafantatra ireo boky atontany

Manampy isa ireo trano mpanonta boky efa misy eto ny Hay Tsingory. Mifototra amin’ny fanontana sy famokarana ireo boky tantara an-tsary malagasy ry zareo. Nisy ny fampahafantarana ireo vokatra ao. Sanganasan’ireo tanora mpanoratra sy mpanao sary, izay miantefa bebe kokoa ho an’ny tanora. Anisan’ireo boky hatonta ao ny Fanambin’i Rijakely 1 sy 2, sanganasan’i Riri. Eo koa ny Azy an’i Kura, Arira Arira an’i Cloud Blue, ary Loulou Naka 1 sy2 an’i Mozeration.
Tanjona apetraky ny Hay Tsingory ny fanohanana ireo tanora manan-talenta mba hivelaran’izy ireo amin’ny kantony. Eo koa ny fanomezan-danja ny tantara an-tsary malagasy, izay be mpankafy kanefa misedra olana amin’ny fanjifana. Mbola misokatra amin’ireo mpanoratra sy mpanao tantara an-tsary izay efa manana sanganasa feno ny Hay Tsingory. Fanombohana ihany mantsy ireto boky nampahafantarina ireto fa hanaraka tsy ho ela ny vokatra manaraka.

Zo ny Aina

Partager sur: