“Mandroso eo ambany fitarihan’ny filoha ny Fanavaozana ny Repoblika”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, nandray ny delegasionin’ny Firenena mikambana (ONU) misahana ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava (ONUDC), teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly. Solontena avy any Djibouti sy Tanzania izy ireo, hanao tombana ny fampiharan’i Madagasikara ny fepetra ao amin’ny fifanarahan’ny ONU momba ny ady amin’ny kolikoly.
Nitarika ny delegasionina ny solontenan’ny biraon’ny UNODC ho an’i Afrika Atsinanana, i Ali Elbereir. Nisolo tena an’i Djibouti ny talen’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny fampodiana an-tanindrazana, i Djama Souleiman Aboubaker. Teo koa ny talen’ ny fikarohana sy ny fanabeazana ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fisorohana sy ny ady amin’ny kolikoly, i Yacin Said Chireeh. Misolo tena an’i Tanzania kosa ny tomponandraikitra ambony telo manam-pahaizana manokana amin’ny fanadihadiana lalina: i Colman Jacob Lubisi sy i Juvinary Jon ary i Lucy Kyusa.
Dingana faharoa no hataon’izy ireo amin’izao fanombanana an’i Madagasikara izao, izay hanomboka anio. Hiompana manokana amin’ny fisorohana ny kolikoly sy ny famerenana ireo fananana azo amin’ny fomba tsy ara-dalàna izany. Nohamafisin’ny Praiminisitra tamin’ny fihaonana àry fa mijoro amin’ny andraikitra iombonana amin’ny famongorana ny kolikoly ny governemanta. Efa manao ny ezaka rehetra ilaina ny fitondram-panjakana, indrindra ny fandresen-dahatra ireo depiote, amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana sy ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara.
Tanjona ny hanamafisana ny mangarahara sy ny fitondrana tsy miangatra ary ny tamberin’andraikitra amin’ny raharaham-panjakana, ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy.
R. Nd.




