Mandeha tsara, na ato anatiny na any ivelany, ny fitetezam-paritra ataon’ny mpitondra. Ny diplaomasia aloha tena miroborobo sy mamirapiratra aoka izany. Ny ato anatiny indray, mainka misongadingadina eny ny bokotra sy ny ekipany. Inona moa fa mibaribary ny fitohizan’ny raharaham-panjakana. Mandeha ny fihainoana ny hetahetam-bahoaka. Mitohy ny fitokatokanana ny asa vita. Tsy ambakan’izany ny fanomezan-toky sy ny fampanantenana maro isan-karazany.
Raha ny zava-misy aloha dia sahalan’ny hoe efa makamaka bahana izany ry zalahy isany. Ny mpanao politika za-draharaha misoko miadana eny ihany. Ny mpijapy lamasinina mandeha efa mipetapetaka aoka izany. Tsy misy miala lavitra ny « satroka maitso ». Ny dokadoka diso toerana manginy fotsiny. Efa mamofompofona filatsahan-kofidina sy fampielezan-kevitra izany.
Iza tokoa no tsy nanao izany teto amin’ny tanàna. Adalan’izay tsy hanararaotra ny herijika eo am-pelantanana. Ny manana ny hery mandrangaranga. Ny manam-panahy mivarotra izany amin’izay mahasahy ambony. Hatramin’ny olona noheverina ho arofanina aza efa mijabaka. Miray tsikombakomba amin’izay ahitana tombony manokana na ho an’ny vondrona misy azy.
« Angaha hita e ! », hoy ny fiteny mahazatra eny rehetra eny. Manaraka ny onjany tokoa. Mandeha tsikelikely mankany amin’ny samy makamaka ho azy eny. Ny sarambabem-bahoaka hatrany no tratra farany na lazaina aza fa tompon’ny teny farany. Am-bava no betsaka fa ny toe-javamisy marina aloha, sarotra ny hilaza azy. Mampanahy ny ho tsy fisian’izany feom-bahoaka izany intsony.
Na inona na inona anefa miseho, politika no lalaovina sy kirakiraina. Tsy maintsy misy ny voa mafy, misy ny migoaka ny soa tsy lany hamamiana. Ny hamehezana azy dia ny hoe mahaiza mamindra na ny entina na ny mitondra. Ny hery manko tsy haharesy ny fanahy rahoviana. Ny hendry rahateo zalahy mody voky….
r.r




