Nandinika manokana momba ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ireo filoham-panjakana 16 mpikambana eo anivon’ny vondrona Sadc, tany Botswana, omaly, araka ny fampitam-baovaon’ny Sadc.
Nitarika izany ny filohan’i Afrika Atsimo, i Matamela Cyril Ramaphosa. Nodinihina ny fivoaran’ny toe-draharaha politika sy ny filaminana eto Madagasikara. Nojerena tamin’ny antsipiriany ny tatitr’ireo iraky ny Sadc teto Madagasikara, fiandohan’ny volana mey, notarihin’ny filohan’ny Repoblikan’i Malawi teo aloha sady mpikamban’ny Komitin’ny Olobe eo anivon’ny Sadc, ny Dr Joyce Banda.
Nanaovana tombana koa ireo ezaky ny fitondrana Fanavaozana momba ireo tondrozotra na fandaharanasa natolotra ny Sadc, faran’ny volana febroary. Anisan’izany, ohatra, ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena hirosoana amin’ny fanavaozana ny fitantana ny fifidianana sy ireo lohahevitra mifandraika amin’ny fanavaozan-drafitra. Eo koa ny fandrafetana lalàmpanorenan’ny Repoblika V, ny fandaminana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Voalaza amin’izany koa, ohatra, fa ny vahoaka mandray anjara amin’ny fifampidinihana nasionaly ho amin’ny fanatanterahana ny dingana fanorenana ny Repoblika dia manana ny zony hanapa-kevitra. Izay fomba fiasa izay, mitovy amin’ny fampiharana demokrasia mivantana, dia mametraka ny fototra sy ny rafitra ho an’ny fitantanana ny andrimpanjakana, indrindra izay misahana fifidianana.
Andrasana ny fehinkevitry ny Sadc amin’izao. Izay no hiantoka ny hoavin’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena? Ao anatin’izany ny amin’ny sazy nampiharin’ny Vondrona afrikanina (UA) nampiato ny maha mpikambana an’i Madagasikara, taorian’ny nandraisan’ny filohan’ny Fanavaozana fahefana tamin’ny 14 oktobra 2025.
R. Nd.




