Natao ny sabotsy 27 jona teo, teny amin’ny CCI Ivato, ny fanolorana mari-pahaizana ho an’ny mpianatra ao amin’ny sekoly tiorka Maarif Faralaza Talatamaty. Raha aravona, nahomby ny vokatra azon’ny mpianatra sy ny mpitantana ny sekoly ho an’ny taom-pianarana 2025-2026. Santionany vitsivitsy, 20 ny mpianatra GS nifindra CP, 9 ny ankizy CM2 afaka CEPE sady niakatra ho 6ème, miisa 20 no afaka 2nde ary tanora kilasy Terminala (A, S, TGT) miisa 24 no notolorana mari-pankasitrahana. Nilaza ny filohan’ny Fondation Maarif, Bilat Demirci, fa nisokatra ny taona 2019 ny sekoly Maarif, ary nanomboka nandefa mpianatra any ivelany, miaraka amin’ny vatsim-pianarana, ny taona 2023. Misy karazany roa izany, ny Turkye Burstari (YTB), iantohan’ny governemanta tiorka maimaimpoana, sy ny Bourses Maarif, avy amin’ny sekoly Maarif. Maimaimpoama ny fianarana teny tiorka.
Manome lanja ny fanabeazana
Nambaran’ny ambasadaoro Tiorka, i Halme Ebru Demircan, fa manome lanja ny fanabeazana ny sekoly Maarif. Tsy ny mpianatra Maarif ihany no mandranto fianarana any Tiorkia, fa Malagasy miisa 300 eo ho eo. Nomarihin’ny Dren Analamanga, Randriantsoa Rivo, fa efa fony fotoan’ny faha mpanjaka no nandefa mpianatra any ivelany ny Malagasy.
Njaka A.




