Mois : juin 2026

INDRAY MIJERY

Tontosa ny famaranana ny ampahibemaso ho fandraisana ireo mopampianatra ho mpiasam-panjakana, eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Mpiasa tsy raikitra miisa 250 izay efa niasa eo anivon’ny minisitera sy ireo toeram-pampianarana no voakasik’ity dingana notanterahina amin’ny fomba mangarahara ity. Nanomboka ny 11 mey lasa teo, nitety ireo […]

Fananahana ara-pahasalamana : Nitafa niaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka

Nikarakara adihevitra ho an’ny fianakaviana mahakasika ny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindrana fiterahana ho an’ny fianakaviana ny fikambanana Fiana­kaviana Sambatra, ny faran’ny herinandro teo ,teny Ambato­mi­tsangana. Lohahevitra nio­mpanan’ny dinidinika ny hoe : « Tanora tompon’andraikitra sy fianakaviana voaaro manorina fiarahamonina sambatra ». Fianakaviana efatra, nahitana ray aman-dreny sy ny zanany no nifanakalo hevitra […]

Météorologie sy Hydrologie : Nahazo « Photomètre solaire CIMEL CE318 »

Notanterahina teny amin’ny ESPA Vontovorona, ny faran’ ny herinandro teo, ny fanokanana ny « Photomètre solaire CIMEL CE318 » voalohany eto Madagasikara. Fitaovana ampiasaina ao amin’ny lalam-piofanana Météorologie sy Hydrologie, izay manampy amin’ny fikarohana momba ny atmosfera, ny faminavinana ny toetr’andro, ny fitaterana ana habakabaka ary ny fanaraha-maso ny tontolo iainana. Vokatry […]

Fahaketrahana ara-tsaina: Afaka nanala ny eritreritra diso ny fifampizarana teny Mahamasina

37% ny tahan’ny fahaketrahana ara-tsaina (dépression) eto Madagasikara raha 20% kosa ny Malagasy tratran’ny aretin-tsaina vokatry ny tebiteby (trouble anxieux), ho an’ny antontan’isa tamin’ny taona 2022, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Tsikaritra eo anivon’ny fiarahamonina fa miha-mahazo vahana ny olana eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina sy ny tranga […]

« Fetin’i Mama » Nizarana tsiky, hehy…

Hira sy ny fomba nentina naneho izany. Ireo karazam-pihetsika samihafa. Ny fitafiana… Indrindra fa ireo mpanakanto niaka-tsehatra tetsy Antsahamanitra, omaly. Samy nanasongadina fatratra fa nentina nizarana tsiky, hehy, tokelaka, sns, ilay fampisehoana « Fetin’i Mama ». Hatsikana mifandraika sy maneho ireo tranga iainan’ny reny ao anivon’ny tokantrano, eny amin’ny fiarahamonina, sns. Samy […]