Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny fankalazana ny faha-66 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Natomboka tamin’ny fananganan-tsaina, teo anatrehan’ny manam-pahefana ambony, sivily sy miaramila, mpanolotsaina ambony eo anivon’ ny governemanta, ny Praiminisitra ary ny solontenan’ny antokom-pivavahana izany. Nitohy tamin’ny kabary isan-karazany avy eo. Nampiavaka ny hetsika […]
Mois : juin 2026
Ankorondrano : Mpanao taxi-moto nokendain’ny jiolahy
Mpanao taxi-moto iray indray lasibatra tetsy Ankorondrano ka tratra ireo nahavanon-doza, ny 30 mey teo. Nokendain’ny jiolahy roa tamin’ny alalan’ny kibay, ny mpanao taxi-moto iray teny Ankorondrano, ny sabotsy 30 mey teo. Niala teo Analakely io Taxi-moto io ary nitondra olona hihazo an’ Ankorondrano. Roa lahy no nentin’ilay mpanao taxi-moto […]
Vavaka ho anao ry Neny Ramy Franck
Karate-Afrika Atsinanana : Nahazo Medaly volamena 1 sy alimo 2 ny Malagasy
Tontosa ny 28 hatramin’ny 30 mey lasa teo, tany Nairobi Kenya, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, faritra Atsinanana, taranja karate. Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy fa na dia vitsy aza ny nisolo tena an’i Madagasikara, vokatra tsara no azo. Medaly volamena 1 sy alimo 1 no norombahan’ny karatekas malagasy. Tamin’ny alalan-dRavelonarivo […]
Rugby vehivavy – CAN 2026: Gisitra sady mivarina sokajy ny Makis Ladies
Tena ratsy ny vokatra azon’ny Makis Ladies, nandritra ny Can 2026 taranja rugby ho an’olona 15. Faharesena intelo, tamin’ireo lalao telo nataony no vitan-dry zareo. Gisitra ny Malagasy ary mivarina any amin’ny sokajy ambany, amin’ny taona 2027. Tontosa omaly, tany Nairobi Kenya ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby […]




