Voafidy ho filohan’ny “Alliance Régionale pour la Vanille” (ARV) Analanjirofo-Ambatosoa, Randrefahanana Ibrahim Anson. Hisolo tena ny mpisehatra eo anivon’ny “Alliance pour la Vanille de Madagascar” (AVM) i Iarindresy Simon sy Franck. Zava-dehibe ny hananganana rafitra ARV/AVM ahafahan’ireo mpisehatra mandray anjara amin’ny fanatsarana sy fikarohana vahaolana ho an’ny seha-pihariana lavanila. Ity […]
Mois : juin 2026
Fomba fisaina : Zon’ny vehivavy ny miaina ny fadimbolana
Fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny fananana fotodrafitrasa hampandrosoana ny fiainam-piarahamonina. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Fidiovana mandritra ny fadimbolana (JMHM), ny 28 sy 29 mey teo, tany Tsiroamandidy, faritra Bongolava. Fotoana iray nanentanana sy nanamafisana ny fiaraha-mientana mahakasika ny olana sy ny fanamby mifandraika […]
Fandriana : Atao lalam-pamokarana ny 40 km
Maro ny tohana omen’ny fandaharanasa Defis any amin’ny distrikan’i Fandriana, faritra Amoron’i Mania. Anisan’izany ny fanamboarana ny « Lalam-pamokarana », mirefy 40 km, notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Ramindo Gaëtan, ny 23 mey teo. Voakasik’ity asa fanarenana ity ny lalana […]
Moris-Mada Business: Hanamafy orina ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Maorisy
Hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Maorisy ny hetsika « Moris-Mada Business », andiany voalohany atao eto amintsika ny 2 ka hatramin’ny 5 jolay. Miara-misalahy ao anatin’izao ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Maorisy Madagasikara (CCIMM), ny Federasionin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Madagasikara (FCCIM) ary ny African Indian […]
FANTINA sy FINTINA
Sambany amin’ny tanànan’Antananarivo no nisy PDS tsy manana mpanara-maso, araka ny nambaran’ny mpanolotsaina teo aloha, Ravololomanana Lalatiana. « Ao anatin’ny tsy ara-dalana isika izao. Maromaro ireo PDS nandalo teo fa hafa ny amin’izao fotoana izao », hoy izy. Tsiahivina fa rava sy niongana koa ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo. Niantso fiombonana sy firaisankina […]




