Hatramin’ny omaly, tsy nandrenesam-peo ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara sy ny Federasionina malagasy, nanoloana ireny faharesena mihoapampana sy mahamenatra ireny. Tsy misy fanazavana ny amin’ilay fanamiana sy ny tsy fahasahian’i Corentin Martins miatrika ny mpanao gazety malagasy. Tsy takona afenina intsony ny olan’ny baolina kitra eto Madagasikara. Manaporofo izany ny […]
Mois : juin 2026
TARATRY ny KANTO
Nahaliana ny mpianatra sy ireo mpandala ny teny malagasy ny « Takalo am-pamoloana » notontosaina tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena, omaly. « Ny voambolana malagasy mahasadaikatra : fady sa azo tenenina ? » no novoaboasan’ Ny Mpanabe Tsara. Lohahevitra tsara safidy, satria efa ela no nanitikitika ny rehetra ny fampiasana ny teny malagasy tena izy, kanefa voalaza fa […]
« Play Lisitra Manaraka » : Sehatra lehibe ho an’ny Hip-Hop Malagasy
Hanasongadina ny talentan’ireo mpisehatra amin’ny rap sy ny Hip-Hop amin’izao fotoana. Izay hatrany ny antom-pisian’ny hetsika « Play Lisitra ». « Play Lisitra Manaraka » no nampisalorana ny andiany faharoa, izay hotontosaina ny 13 jona izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Nitondra ny fanazavana momba ny hetsika ry zareo avy ao amin’ny Kolontsaina Mainty, […]
Fahasalamana : Olona 1 amin’ny 1 000 no teraka mivadi-tongotra
Nandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ireo olona mivadi-tongotra (pied-bot), omaly, no nampahafantarana fa misy ny fitsaboana “Ponseti” azo atao amin’izy ireny dieny mbola kely. Efa maherin’ny 4 000 ireo ankizy nisitraka izany fitsaboana izany teto Madagasikara. Ary raha vantany vao teraka ny zaza dia afaka atomboka sahady ny fitsaboana, na […]
Barikadimy-Toamasina : Mitohy ny fanarenana ny Campus
Ny 7 marsa, tonga tao Toamasina nanao fanadihadiana sy nijery ifotony ny fahavoazana i Seck, solontenan’ny Banky iraisam-pirenena monina sy miasa eto Madagasikara. Nisy, noho izany, ny fihaonan’ity solontenan’ny Banky iraisam-pirenena ity tamin’ny mpandraharaha eo anivon’ny oniversite notarihan’ny filohany, ny profesora Razanakolona Diny, sy ny solontenan’ny mpianatra. Nambarany fa iantohan’ny […]




