Mbola ambany ny tahan’ny fisotroan’ny Malagasy ronono raha oharina amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 7 litatra monja isan-taona no lanin’ny Malagasy iray. Izany hoe, latsaky ny iray litatra isam-bolana, araka ny antontanisa navoakan’ny Malagasy Dairy Board (MDB). Lavitra ny salan’isa 100 litatra isan-taona atolotry ny fenitra maneran-tany […]
Mois : juin 2026
Fari-piainana : Lavitry ny fampandrosoana i Madagasikara
Marefo avokoa ny ankamaroan’ny rafitra eto Madagasikara. Miteraka sakana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny lafiny sosialy izany. Mbola voafetra ny fitomboan’ny harinkarena satria ambany ny famokaran’ny sehatry ny fambolena, eo koa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, ny fisian’ny loza voajanahary miverimberina, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Mananosarotra koa, […]
Fiompiana : Ahazoana tantely 15 kilao ny tohotra iray
Seha-pihariana mahasoa sady azo haondrana any ivelany ny fiompiana tantely. Mbola kely ny vokatra eto amintsika, ka apetraka ny paikady hampiroboroboana azy. Natao teto Antananarivo, ny 29 mey teo, ny Dinika hampiroboroboana ny seha-pihariana tantely. Efa vita ny dinika natao tany amin’ ny faritra miisa sivy, ka aravona ny angon-kevitra, […]
FANTINA sy FINTINA
Niantso ireo mpikaroka eo anivon’ny Akademia ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, hanampy ny minisitera sy ny Andrimpanjakana hanisy dikan-teny malagasy amin’ireo taratasy eny anivon’ny sampandraharaha sy biraom-panjakana. Nivoitra izany tamin’ny fanokafana ny Iray volan’ny teny malagasy, teny Tsimbazaza, omaly. Hisy fivoriana voafetra hatao anio ho fanombohan’ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora […]
Depiote Milavonjy Philobert : “Avelao hitarika ny fikaonandoha ny FFKM”
“Efa nilaza ny FFKM fa hanatanteraka amim-pahamarinana ny fikaonandoham-pirenena. Koa tokony havela malalaka hanao izay fomba hanatanterahiny azy ary havela malalaka handray anjara ny rehetra”. Io no nambaran’ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafiton’ny Antenimierampirenena, ny depiote Milavonjy Philobert, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, omaly. Izay tapaky ny besinimaro amin’izany […]




