Mois : juin 2026

Handball – “IHF Trophy” : Nanao pao-droa ny Akio

“Pao-droa”! Lasan’ny Akio Madagasikara avokoa ny amboaran’ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, ho an’ ny sokajy “cadet” sy “junior”, lehilahy. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alarobia hatramin’ny alahady lasa teo. Norombahin’ny ekipam-pirenena Akio “cadet”, ny anaram-boninahitra rehefa nandresy ny Nosy La Réunion, tamin’ny isa 40 no ho 30, […]

JJB-AJP Tour Cape Town : Nahazo medaly volamena 4 sy alimo 2 ny Malagasy

Namiratra indray ny Malagasy mpikatroka ny taranja Jiu-jitsu Breziliana tany Afrika Atsimo. Medaly 6 no norom­bahin’izy ireo. Malagasy mpikatroka Jiu-jitsu Breziliana 4 mianadahy no niatrika ny fifaninanana “AJP Tour Cape Town Championship”, tany Afrika Atsimo. Tsy nitsanga-menatra ireo solontena malagasy fa namiratra. Medaly volamena 4 sy alimo 2 no norombahan’i […]

Auto-école-CUA : Tokony hamafisina ny kalitaon’ny fampianarana

Manoloana ny goragora sy tandrevaka ataon’ireo mpitondra fiara, nanaitra ny sekoly mampianatra mamily fiarakodia rehetra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba hanamafy hatrany ny kalitaon’ny fampianarana omena ireo mpianatra. Tsy mijanona amin’ny fahaizana mitondra fiara fotsiny ny fampianarana fa eo koa ny fanabeazana amin’ny andraikitra, ny fanajana lalàna ary ny fifampitsinjovana […]

Sekolin’ny baolina kitra JSEM : Mankalaza ny fahadimy taona nijoroany

Tontosa ny sabotsy sy alahady teo, tetsy amin’ny Kianjan’i Betongolo, ny ivon’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny sekolin’ny baolina kitra JSEM. Fotoana nifaninanana teo amin’ny baolina kitra ho an’ireo katitakely latsaky ny 13 taona. Miisa 94 ireo mpandray anjara tamin’izany. Amin’ny novambra 2026 ho avy izao ny famaranana ny fankalazana. «Tanjona […]

Ady amin’ny fampiasana vokatra misy paraky : Nasongadina ny fomba fiaina ara-pahasalamana

« Ndao hiady amin’ny fiankinandoha amin’ny nikotina, ny paraky ary ny sigara” ny lohahevitra nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fihinanana paraky sy tsy fifohana sigara. Notanterahina tao Antsirana­na ny hetsika. Natao hanentanana ny mponina hiaro ny fa­hasalamany sy handray anjara amin’ny ady amin’ny voka-dratsin’ny fifohana sigara. Nisy […]