Tsy hilefitra ny sendikan’ny mpiasan’ny Cnaps. Hijoro hatramin’ny farany amin’ny fiarovana ny volabe latsakemboky ny mpiasa izy ireo.
Miakatra ny maripana eo anivon’ny Cnaps. Tsy hilefitra ny sendikan’ny mpiasa ary nampahafantatra izy ireo, omaly, fa mitaky ny fanalana ny tale jeneraly mpisolo toerana. “Manao tantely afa-drakotra ny volabe latsakemboky ny mpiasa izany tale jeneraly izany ka tsy handeferana mihitsy”, hoy ny sendika.
Manoloana ny fitakiana dia iharan’ny antsojay ny sendika mijoro eo amin’ny Cnaps. Tratran’ny ramatahora noho ny fampanenoana lakolosy ho fiarovana ireo mpiasa sy ny volan’ny marefo ao amin’ny Cnaps.
Etsy andaniny, misy ny volavolan-dalàna tian’ny tale jeneraly hapetraka an-terisetra izay holanian’ny Antenimierampirenena. Tokony hisy solontena avy eo amin’ny Cnaps hidinika miaraka amin’ ny vaomiera, mialoha ny handaniana izany lalàna iniana atao an-tery izany. Mitady ny mangarahara ny mpiasa ka tokony hisy solontena isan-tsokajiny mahefa handinika izany.
“Raharaha avo lenta ny ao amin’ny Cnaps. Misy volabe ao izay volan’ny olona marefo, latsakemboky ny mpiasa, ka tsy tokony hatao tantely afa-drakotra”, hoy Rakotozanany Andriamihaja Zozo, mpikambana ao amin’ny sendikan’ny Cnaps.
Etsy andaniny, tsy nisitraka ny volany akory nandritra ny 2 taona izao ireo mpiasan’ny Cnaps efa misotro ronono kanefa dia nikarakara ireo mpisotro ronono nandritra ny fotoam-piasany am-polo taona maro tao an-toerana. Banga ny latsakemboka ka lasa misy ny lesoka tsy hahafahana mizaka ny zo fisotroan-dronono.
Saro-pady ny Cnaps sy ny tontolony ka izany no hampanenoana lakolosy sy hijoroanay sendika, izay tsy hilefitra amin’ny tranga mamohehitra ataon’ny lehibe amin’izao fotoana, hoy hatrany izy ireo.
Ankilany, ny lehiben’ny mpisotro ronono ao amin’ny Cnaps, Ramamonjisoa Hitler, dia nilaza ny tokony handraisana an-tanana ny sosialin’izy ireo ihany koa, toy ny fahasalamana, ny fisondrotan’ny vola raisina…
Tatiana A




