Hamafisina ny fanaovam-baksiny: distrika 81 nahitana trangana kitrotro

Distrika 81 manerana an’i Madagasikara no nahitana trangana kitrotro, tamin’ity taona ity. Manoloana izany, manamafy hatrany ny fepetra sy fisorohana ara-pahasalamana ny fitondrana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, hifehezana sy handresena ity valanaretina ity. Tsy fanaovam-baksiny faobe ihany no hotanterahina fa eo koa ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny andavanandro, amin’ny paikady “stratégies fixes, avancées et mobiles”.  Eny amin’ireo CSB rehetra, ao anatin’ireo distrika 81 voakasika, no hanaovana vaksiny mandritra ny efatra andro (amin’ny volana oktobra). Zaza 9 ka hatramin’ny 23 volana no hiantefan’ny hetsika. Amoron’i Mania, Analanjirofo, Androy, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Bongolava, Diana, Ihorombe, Itasy, Melaky, Menabe, Sofia, Vakinankaratra, Anosy, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony, Analamanga ary Sava ireo faritra hanatanterahina ity hetsika fanamafisana ity. Mijanona ho laharam-pahamehana ho an’ny fitondrana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny fiarovana ny ain’ny zaza sy ny fahasalaman’ny vahoaka. Anisan’ny ezaka entina manatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy miantoka ny fahafahan’ny ankizy mahazo vaksiny eny amin’ny toerana akaiky azy ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny andavanandro.

Vonjy

Partager sur: