TARATRY ny KANTO

« Savaravina am-pamoloana ». Hisy ny adihevitra anio amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. « Tsy ampy voambolana hoe ny teny malagasy? », « Mety ho vahaolana ve ny fanekena ny teny vahiny sy ny fitenin-jatovo » ? Ireo ny lohahevitra hiompanan’ny adihevitra, na dia efa nifarana aza ny fanamarihana ny « Iray volan’­ny teny malagasy ».

Nodimandry teo amin’ny faha-65 taonany i Haja Andrianary, mpanakanto maro talenta, satria sady mpitendry gitara beso no mahafehy zavamaneno tsofina maro no nahafantarana azy. Nivelatra tamina mozika maro, na dia fantatra kokoa teo amin’ny tontolon’ny jazz, indrindra ny fandraisany anjara tamin’ny « Madajazzcar » aza, i Haja Andrianary. Niray sehatra tamina mpanakanto maro teto sy tany ivelany, toa an’i Solo Andrianasolo izay rahalahiny izy.

Ho an’ireo mpiondana ny mozika jazz, hiova rahampitso 2 jolay amin’ny 8 ora alina ny fotoana, etsy amin’ny Makay Analamahitsy. Ny Tsanta Randri Quartet no hizara ny talentany sy hitondra ireo mpankafy jazz any amin’ ny tontolon’izy ireo. Noho ny fisian’ ny lalao kitra anaty « Mondial » no nahatonga ny fanovam-potoana.

Partager sur: