BEPC 2026 : 327 815 ny isan’ny mpiadina manerana ny Nosy

327 815 ny isan’ny mpiadina hanala ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Mizara ho sokajy roa izany. Sokajy A manana mpiadina 174 760 ary ny sokajy B miisa 153 055. Hitsinjara amin’ny efitrano 9 446, anatin’ny foibem-panadinana 1 101, izy ireo, eo anivon’ny Cisco 115. 10 taona ny zandriny indrindra hiatrika ny BEPC, ao amin’ny Cisco Amboasary Atsimo. 38 taona kosa ny zokiny indrindra, hanatanteraka ny adina ao amin’ny Cisco Bekily, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Ny Lycée maoderina Am­pefiloha no manana mpiadina betsaka indrindra, satria ma­hatratra 2 991 isa ary hitsinjara anatin’ny efitrano 63.
Momba ny fiahiana ny fanadinana, miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary tsy misy ny fivoahan’ny laza adina mialoha hatramin’izao. Tany an-tsekoly koa, nisy ny fampahafantarana ho an’ny mpiadina momba ny fanaovana hosoka nandritra ny taom-pianarana. Mampahatsiahy hatrany ny tsara ho fantatra koa ireo tomponandraikitra eny amin’ny foibem-panadinana.
Nanambara ny fikambanana Autisme Madagascar fa zava dehibe ny fiantohana fepetra manokana ho an’ny ankizy autiste miatrika ny fanadinam-panjakana ao anatin’ny tontolo mirindra, miaraka amin’ny fanitsiana sy fanohanana manokana. Valo, hatreto, ireo sampana isam paritra mikarakara sy manohana ny ankizy autiste ary ny fianakaviany amin’ny fanadinam-panjakana. Ahitana an’i Dia­na, Atsinanana, Alaotra Man­goro, Analamanga, Vakinan­ka­ratra, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana ary Anôsy.

Vonjy

Partager sur: